You are here: home > Vetso

Marina ny fitiavako - Ari Ira

Tsy hoe voatanisako ny
anarany,
na koa hoe voasoratro
matetika
anaty rima tsy mahahetsika
dia hoe iadiako ny ho
anjarany!
Fa tsy misy soratra mahefa
mahalaza izany embona
ahatsiarovako anao
afa-ts'iny anarany iny.
Ka aza omenao tsiny
raha voatanisako eo am-
bavako
fa matokisa akia rahavako
fa ianao ihany no Tiako

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha