Masina ny Teny (Ari Ira)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ataovy ao an-tsaina,
fa ny teny izay lazaina
entin-drivotra misidina
ka ela vao tafidina.

Ny teny iray mivoaka,
raha ren'ieo vahoaka...
Mitombo ny hateviny,
ary miova hatramin'ny heviny...

Ka mba avadio ny lela,
sao ho lavo ka hianjera
ankodimiran-kabary eny

Ka mandiniha vao milaza,
misaina vao misoka-bava
fa zava-masina ny teny.
--------
Rohy:
Sokajy : Fiaraha-monina
1113 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0134