Matesa ry Poety (Ari Ira)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
noharatsiany matetika!
na fiteny na fihetsika
na fomba na fisaina
- lazainy ho mpanamaina-
ilay mpandrotsirotsy
sy mpamelombelona
ny zanak'olombelona
mitondra azy hisidina...
hamangy ny tontolo
honenan'ny fanahiny
amin'ny teny izay ravahiny.

fa mpanonofy mantsy
hoy izy ireo mihantsy
ireto mpanambara,
sy mpandrakitra ho tantara
ny misy nofoanana
sy ny foana zary misy
ka tsy ilainy intsony. indrisy!!

mpandainga ihany koa
hono ka tsy mahasoa.
atsanga tsy aman'orana,
tsy mendrika hotolorana
na dia topimaso akory,
fa sora-tsorisory
teny mahasorena:
fanetriben'ny firenena.

dia izao no irariany
sy tena iangaviany:
poety!! raha mety;
matesa any ianao
f' izao vaninandro izao
tsy dia ilana anao intsony,
ity rediredy ajanony,
ajanony dia matesa
ajanony ho'aho raha mety
dia matesa ry poety!!!

hoy aho anankam-po;
moa ho faty tokoa????
--------
Rohy:
Sokajy : Kolontsaina - Ady
1017 0
Hevitra mandeha
alson ( 03/12/2014 21:02)
Tsy ho faty akory ireo manana ny hevitra tsy takatry ny hafa
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149