You are here: home > Vetso

Mba ... - Ari Ira

Mba hisy anie ny fahazavana,
ho aron'ny fitiavantsika.
Mba tsy ho lefin'ny hatsiaka
anaty aizim-pahotàna.

Mba ho tazana amin'izay,
ho hitan'ny havanao
mbamin'ny olom-padinao
ilay nafenina hatrizay!

F'efa tsy aritro intsony
tiako hotazana ny voany
ho tazanao koa ny hasoany,

Ny tsiron'ny fitiavana
ilay tiako handramanao rahavana
ho gohantsika am-panajàna...

R. Ari Ira

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha