Ny Teniko (Ari Ira)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Andrianiko ny teniko
ny an'ny hafa ho feheziko
raha asosako ny peniko
ny teny Gasy no hataveziko.

Averiko amin'ny toerany
ireo very notadiavina
ireo hasiny nazerany
averiko ho tiavina.

Ka asandratro ho ambony
ahitanareo ny hasoany
sy ny hareny tsy mipika,

ireo haikanto nimasoany,
fa tena lehibe tokoany
kay ny Tenindrazantsika....
--------
Rohy:
Sokajy : Hambom-po
1610 0
Hevitra mandeha
Nofy2 ( 15/11/2014 12:47)
mankasitraka!
Absolu ( 15/11/2014 13:06)
misaotra an'i Di... amin'ireo fehezanteny roa voalohany ireo.
rakotoarisonmilantozeze ( 17/11/2014 12:24)
Inona ny mba tono kalon'ao
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139