You are here: home > Vetso

Alahelo anao - Arlisoa

Any ianao!Any lavitra tsy hitako,
Nandao ahy ela izay.
Raha ny tiako sy ny sitrako
Dia ianao mitia ahy.

Saingy tsy afaka intsony,
Fa efa an-tanan'olonkafa.
Hany heriko hitony,
Ka hanadino sy hamafa.

Malahelo anao ny foko.
Ary te hitroatra mafy.
Misy sento sy toloko.
Ao anatiko ao,mihafy.

Izany rehetraretra izany.
No ao am-poko ao.
Sisa hataoko hitomany
Hilazako ny alahelo anao...

Sokajy : embona

Mombamomba

Mpanoratra : Arlisoa

Nampiditra : Arlisoa
Daty : 03/09/2014
Mpamangy : 3981
Mankafy : 1
Ankafizo

Tononkalo hafa

MBOLA HO TIA VE?
Tsy ho ahy
Hanoratra aho ho anao
Fo maratra

Hametraka hevitra

Midira aloha