IANAO IHANY.... Tiako a! (as'n guitariste)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IANAO IHANY....

Tiako a!
Teny kely iray monja,
No atolotro ho anao.
Kely nefa toa mafonja,
Hoy aho hoe:TIAKO IANAO.

Teny kely nefa iray,
Io no teny ho lazaiko.
TIAKO IANAO dia ampy izay,
Ny ankoatr'izay dia tsy ilaiko.

Fa ianao no fiainako,
Ianao no faniriako.
Ianao no intarainako,
Mba hitantana ny diako.

Ianao no ho hajaiko,
Sanatria ny hampirafy.
Ianao no ho lalaiko,
Na iza isopatra higafy.

Tiako a!
Ny hafatra ho lazaiko anao,
Ho mbola be ireo adidy.
Mbola be ny ady atao,
Ao ny mamy ny mangidy.

N'iza hisopatra ny dia,
Ka handrava ny mijoro.
Hoy aho hoe matokia,
Ny amintsika tsy hikoro.

Na iza iza ka handatsa,
Anakora antsika akia.
Ny antsika efa lali-paka,
Fato-maty ny fitia.

Mahereza sombiniaiko,
Mbola be ny ady atao.
Ka ny masak'ato an-tsaiko,
Chérie a!TIAKO IANAO.
--------
Rohy:
7180 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099