POROFO FA HOE "TIA" Tsy (as'n guitariste)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
POROFO FA HOE "TIA"

Tsy oroka sy safosafo
na ny tambitamby rehefa mihaona;
Tsy ianao mividy zavatra lafo
ho an'ny olon-tianao foana,

Rehefa ianareo ilay miara-dia
no porofo fa hoe TIA!

F'ianao ilay miaraka mizaka
ny fahoriany izay manjo,
Ka mampahery mampitraka
sy mampionona azy koa!

Ianao ilay tsy mba mialangalana
fa manoro sy manitsy,
Raha toa izy diso lalana
na manao ny tsy mety mihitsy!

Ianao ilay mahatsiaro azy foana
na hariva na maraina,
Ka dia satrinao hiaona
amin'ilay tiana sy lalaina!

Ianao ilay tsy mamela azy irery
sy tsy mamela azy hangina,
Fa mampitraka mampahery
raha toa izy tojo fahoriana!
--------
Rohy:
2191 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0209