RY LAY NANDALO (as'n guitariste)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tovovavy iray nandalo,
No nanaitra ny fijeriko,
Omaly ariva tamin'ny valo,
Izay nanasitrana ny feriko,
Manja loatra ianao,
Ka nanintona ny maso,
Mba afaka mireska ve aho?
Ra sitrakao de mba handraso,
Nahoana no dia mandeha irery toy izao,
Fa aiza ny namana aman-tsakaiza,
Ra tsy mampaninona ateriko ianao,
Na hatraiza na hatraiza,
Fa sambatra tokoa izay hitoerany,
Zay lalovany aza mamerovero,
Izaho mba nanantena ny ny fitserany,
Ny hitenenany hoe:Andao ary aho atero,
Ho tantanako ny tanany,
Na ho sakambiniko ny tenany,
Ary dia ataoko tsapany,
Ny hafanana izay naterany,
Ataoko tretrika ny fony,
Ho feno fientanentanana,
Tsy avelako hitony,
Raha tsy efa hisara-dalana,
Moa tsy rediredy ihany izany,
Moa tsy nofinofy ririnina,
Raha toa tsy manaiky izy androany,
Dia aleo hiafiko fa tsy manina,
Zay vĂ´ tena we parsi ,
Satria koboniko ho ahy irery,
Lay fitiavako andry,
Ato am-poko ho lasa fery,
--------
Rohy:
1255 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0097