Ho anao (AssanRJ)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Vao nitompy ka nahita anao ny masoko ankiroa
Dia tsapako avy hatrany fa lasanao izany fo
Fa ilay tsikinao malefaka manintona ahy hitafa
Ny vatako rehetra toa tsapako hafahafa
Misy zavatra tsy aiko manintona aminao
Tsy aiko oe aiza ho aiza fa dia tiko tsotra izao
Ny hany tsapako aloha dia ny aminao manontolo
Na toetra na fiteny tiko hatramin'ny fofom_bolo
Kisendrasendra ve ny nahitako anao?
Nampidoboka ny foko nampitapy ahy toy izao
Sa fotoana voatondro haitako ilay anjara
Ianao no tiko ambara sy hanoy ny tantara
Ka raha toa mba sitrakao mba valio zao antso izao
Aza atosibohitanana fa feo mihika ho anao
Moa ve mba fantatrao ny hevitra fonosiny ao?
Fitia be tsy mananamby izay hatolotro anao
Tsy fitia somongamonga na koa taitatra
Fa fitia tena fitia mikatsaka ny tena raitra
Fiainambaovao hiarahan-tsika roa
Izay ny faniriko sy hany bitsiky ny fo
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1531 1
Hevitra mandeha
AssanR ( 11/10/2014 15:08)
Fa tsara ny roa noho ny iray izay no filamatro mandrakizay!!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AssanRJ
Nampiditra : AssanR
Daty : 11/10/2014 15:03
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0131