Fisarahana (Avotra)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tonga angamba ny fotoana, hilazako aminao
fa ny fitiavako tsy foana, tsy mbola niova hatr'izao
eny mafy tena mafy, raha ny nentiko hatr'izay
ankehitriny aho ho sahy, hanao dingana iray

ireto andalana ireto, ataovy fahatsiarovana ahy
eto am-panoratana aho no misento, sady resy no mangahiahy

mbola averiko indray ary hamafisiko etoana
raha izay fitiavako izay, tsy ho faty tsy ho foana
tiako ianao ry Malala, tena mamiko tokoa
izaho anefa mahalala, fa ny fitiavanao dia roa

tsy ho zakan'ny saiko, sady tsipahin'ny foko
raha ianao lay nantenaiko mbola hampirafy antsokosoko
mitso-drano anao mangina ilay olona tsy foiko
na ny voahary aza sina, sy zary lasa nitoloko

entiko mandra-maty, ny fitiavako anao
fihiniko irery ato anaty, mba ho fanajako anao
mahaleova mahalasana izato ianareo roa
fa ny amintsika aleo fafàna, satria tsy anjara tokoa
--------
Rohy:
22737 8
Hevitra mandeha
aladin ( 26/02/2004 12:45)
Manao ahoana ianao!Izao dia mpanoratra toa anao ihany!hitako fa tena tsara ny tononkalonao ary miantraika avy hatrany amin'ny mpamaky;toa miampita aty avy hatrany ilay alahelo rehafa mamaky azy aho.
Tsara fa tohizo!dia mba ataovy mampitsiky @izay e!
aladin ( 26/02/2004 12:47)
Manao ahoana ianao!Izao dia mpanoratra toa anao ihany!hitako fa tena tsara ny tononkalonao ary miantraika avy hatrany amin'ny mpamaky;toa miampita aty avy hatrany ilay alahelo rehafa mamaky azy aho.
Tsara fa tohizo!dia mba ataovy mampitsiky @izay e!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Avotra
Nampiditra : Sara
Daty : 26/02/2004 08:59
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144