You are here: home > Vetso

Ry Madagasikara Am-Perin'asa - Avylavitra

Ry Madagasikara Am-Perin'asa


47 taona izao no lasa,
zava-marobe no nokinasa,
nisy ny tafita tao koa ny tsy vita,
ny hanefa ireny no ndeha ho voadintsika

Ry Madagasikara, Am-Perin'asa isika izao,
misikina herim-po ka ilazao 'reo namanao
fa ho fampandrosoana an'i Madagasikara mahaleotena
isika rehetra mihitsy no aoka hanolo-tena

N'iza n'iza ianao, na aiza koa na aiza,
mijoroa sakaiza
fa ilain'ny firenena izay avy aminao,
na saina io na harena

Ny miandry lava fanaon'ny teo aloha,
hoesorina ao an-doha,
f'izay azontsika omena no ndeha indray jerena

Mifanolora tanana, mifanomeza hery,
f'izay mitambatra no tsy mba mety very
Tsy hanaiky hosarahana, tsy hety ho vakiana
Ny fifankatiavantsika laroy firaisankina

Am-Perin'asa isika izao, hanova ny tontolo, ho Madagasikara vaovao

Avylavitra (22 juin 2007)

Mombamomba

Mpanoratra : Avylavitra

Nampiditra : avylavitra
Daty : 20/08/2007
Mpamangy : 1543
Mankafy : 3
Ankafizo

Tononkalo hafa

k'zaho ve?

Hevitra mandeha

todisoa2 (15/02/2008 16:24:29)

hihihihihi

endrika01 (03/07/2009 19:04:48)

.....mifanolora tanana,mifanomeza hery...

Mbola tsy takatry ny maro a

endrika01 (03/07/2009 19:07:10)

.....mifanolora tanana,mifanomeza hery...

Mbola tsy takatry ny maro anisa Ankehitrio!!!

hery (13/07/2009 00:12:30)

Mbola mitombona ve ity tononkalon'i Avylavitra ity? :-p

tsiambaratelo (19/07/2009 11:23:05)

47 taona 'zao no lasa
zava-maro be no nokinasa
nisy ny tafita tao koa ny tsy vita
ny hanefa ireny no ndeha ho voaditsika.


Azo soloina amzay ve hoe,50taona....:D

mangamaso (27/07/2009 19:29:12)

Tsara e! mankasitraka

Hametraka hevitra

Midira aloha