Fitiavana (Bob Ramanamiravaka)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Indray andro izay
Nisy vehivavy anankiray
Izay tena mahafatifaty
Ary koa mambabo ny ao anaty



Dia nandeha ity tantara
Isika roa mbola niaraka tsara
Nony afaka herintaona
Isika roa tsy afaka nihaona



Rehefa mifanena eny an-dalana
Isika roa samy maka sisin-dalana
Fa indrindra raha ianao no mijery
Mahatalanjona ahy samy irery



Rehefa olon-kafa kosa
Ny fiarahana tsy tontosa
Toa mahalasa vinany
Izaho ity misomambisamby ihany





Bob Ramanamiravaka
--------
Rohy:
1430 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Bob Ramanamiravaka
Nampiditra : bobramanamiravaka
Daty : 11/02/2016 21:09
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099