Lamaody (Bob Ramanamiravaka)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fomba fiakanjo toa hafa kely
No hitako nanaovan-dramadimôzely
Manao fitafian'ireo vahiny
Mba hanimbàna ny fitafin'ny fahiny



Lamaody malaza ankehitriny
Ny manaraka ny fivoaran'ny vahiny
Fa satria io no vahaolana hitany fa mety
Na koa hahatonga azy ho vedety



Ny lamaody dia manimba fomba fisainana
Indrindra ny zanaky ny tsy mpananana
Toa manara-drenirano fotsiny
Ka rehfa avy eo dia atosiny


Ny fanarahan-damaody dia mila fandinihan-tena
Fa tsy hoe rehefa tonga avy any dia ekena
Mila fieritreretana tena matotra
Mba hahatonga anao tsy ho voafatotra




Bob Ramanamiravaka
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1195 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Bob Ramanamiravaka
Nampiditra : bobramanamiravaka
Daty : 13/02/2016 00:04
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147