NY FE TSY BOKY (Bade RaAnRaMa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY FE TSY BOKY

malala o ,
raha toa tia ahy ianao ,
raha tia ny tenanao dia etsy iangaviko :
esory akia ry tiako ary aza atao intsony
ny mandefa itony
sary miboridana ato anaty fesiboky !
tsy akory aho saro-piaro na koa hoe tsy matoky a
f'ianao ange tsy boky e !
tsy valan-javaboary
k'izay mpandalo rehetra dia makamaka sary!
ny bikanao tsy ratsy
fa na dia izany aza
aoka tsy aranty ho an'ny fokonolona
ny mbola azo afenina ,
ny hamaolana ange ka manimba fiarahamonina e !
ka sao lahy hanenina a!!
aleo re ho ahy irery e ,
aleo mba zaho irery
no afaka mijery ny takotakona any !!
ny bandy ange malala ka faly ny handoka e
tsy misy na iray aza ka hanabokaboka
rehefa ianao mitanjaka ,
hitady aza ataony ka
maika misy mihanjaka maneho tsy andoavam-bola!!?
ka aoka re mifona a,
mivalo aho mitalaho aza aseho reo faritra
tsy an'ny fivondronana ;
'sika ihany koa anie ka zanak'Andriamanitra
zay lohan'ny fiangonana e!!
zany sombiniaina an ...!
fanah no enti-miaina fa tsy ny hajejoana ...
izan tsy midika fa tsy olom-pandrosoana an,
isika Malagasy manam-pomba,manam-pady
ary olom-pahendrena
ka tsy fati-pesiboky noho ndeha hivarotan-tena!

bade raanrama
--------
Rohy:
1133 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Bade RaAnRaMa
Nampiditra : bade RaAnRama
Daty : 12/04/2018 00:43
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0163