AN'I ZAZANGALY (Baraingo Valo)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aza manatena paradisa intsony
Fa ankafizo aloha ny fofom-beromanitra.
Volana sy kintana no misy any ambony
Fa tsy sanatria akory k'izany Andriamanitra!

Ankafizo aloha ny kalon'ny domohina
Sy ny vazon'ny tanora atsy ambanin'ny tanĂ na,
Kalon'ny fitia indray no ndeha mba henoina
Fa aza dia variana amin'ny hiram-piderana!

Fa ny fiainana dia tsinona fa nofinofy ihany
Miaina nofinofy isika eto an-tany
Ka mahaiza maka fy. Aoka hanararaotra...

Poeta lalin-tsaina no indro manambara(*)
F'iray tsy mivaky ny ratsy sy ny tsara;
Ary fotaka sy fitaka ny fisian'izany ankoatra!

Baraingo Valo


(*) Hoy i DOX.
--------
Rohy:
702 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0104