Mampiahiahy ny toetranao (Baraingo Valo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mampiahiahy ny toetranao malala
Hataoko tia ahy kanefa mankahala,
Hataoko mankahala kanefa mankatia
Sady efa manadala vao mbola mankahia;

Mitovy sy sahala ny ENY sy ny TSIA,
Ka mampisalasala ny TIA sa TSY TIA?

Ny ao anatiko ao no manjary tsy milamina
Fa toa natambatrao ny andro sy ny alina...

Baraingo valo
In FAMINTINANA
Pejy 61
--------
Rohy:
Sokajy : Ahiahy - Fitiavana
864 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0103