NIOVA (Baraingo Valo)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Izaho ilay tia nioty voninkazo vao mamony
Tia nanenjika domohina, tia nijery akanga vao.
No indro lasa niova fo, tsy tia nanao izany intsony
Fa nanjary tokam-po raha vao niaraka aminao...

Tsy mba zavatra fanaoko ny mivavaka alahady
Sy mivimbim-baiboly eny an-dàlana eny.
Fa hatry ny fotoana izay nakàko anao ho vady
Dia lasa tiako hoazy ny mihaino toriteny.

Talanjona sy gaga ny mason'ny vahoaka
Nahita ahy niala tamin'ny toetrako tsy nety;
Niala ny sigara sy fisotroan-toaka
Nandao ny filibàna sy ny fitiavam-pety...

Baraingo Valo
--------
Rohy:
879 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.011