MAMIKO (BerthiN AinA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ts ho ritra mandrak'izay
Ny fitiavako anao ry aiko
Ka ts ho andriko ny ora ray
Hametrahan'ilay sombinaiko

Ts voavidy vola ny fitiavako
Na misy mikasa aza ry mamiko
Koa sambatra ianao rahavako
Fa eo anilanao ny tokotaniko

Na vola tsotra na volamena
Ts misy atakaloko anao ry tina
Na ho tambazana na ho terena
Ny fitiavako anao ry mamiko ts hangina

Tiako ho henon'izao tontolo izao
Ny fitiavako anao ts mitapoka
Ka Ho zary vovoka amin'izay ny ao
Ankevitr'ireo fahavalo te hikapoka

BerthiN AinA
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1115 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : BerthiN AinA
Nampiditra : berthinaina
Daty : 20/01/2017 17:37
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014