MIANDRY PI-MASO (BerthiN AinA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
vao maraina itsy namana
dia mibanjina iny antsinana
mamisavisa ny hiseho anio
sady mifoka rivotra madio

ny masoandro miposaka no jereny
fa iny hono manana fonon-teny
izay hevitra lalina sarotra takarina
manambara ireo miafina sy marina

eny!eny no itopiany masony matetika
fa voarakitra ao avy hono ireo ketrika
misy ao avokoa izay rehetra hoavy
na fiainan'olo tsotra na fiainam-pamosavy

zatovo hoe izy ka miandry pi-maso
maniry hiditra izany fitia feno ranomaso
ka ny masoandro mazava antsinanana no jereny
mba hahafantarany izay silam-panahy ho ekeny

mbola tanora izy koa manantena fahendrena
fa tena ts ho tiany hono ny ho ratsy fitondra-tena
dia aleony miandry pi-maso avy any andanitra
mba hahay hiaina ka ho sitrak'Andriamanitra

berthin aina(aina be fitiavana)
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
918 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : BerthiN AinA
Nampiditra : berthinaina
Daty : 17/03/2017 08:17
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.011