NY FITIAVAKO (BerthiN AinA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY FITIAVAKO
Ny fitiavako tsy sandaiko vola
Ary tsy kaotiko isan'ora
Fa omeko ankitsim-po malalaka
Sy tsy ampitambazako mpangataka

....Nefa mahasarotiny ahy ihany
Ny fanolorako izany
Fa sao mantsy maty hasina
Lay fitiAvana masinA

Mamy amiko tokoa mantsy izy io
Fa tokana eto an-tany lay fitia madio
Dia ny ahy irery ngamba izany
Ankoatr'Zay mety tsy hitako any

Berthin aina
--------
Rohy:
1056 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : BerthiN AinA
Nampiditra : berthinaina
Daty : 02/05/2017 03:25
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143