Ahy ny teniko (BESORONGOLA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NANDREHITRA AHY NY TENIKO
Ilay fiteny no nandrehitra ny ao am-ponao nangatsiaka
Teny angola izay ihany dia nahavaky ilay riaka,
Dia ilay riakam-pahatsiarovana
Nibosesika gorobaka
Niboiboka tao am-po,
nampitsiry ilay lemaka ...
Nampidoroboka ilay mifemaka
Dia ilay tsiaro
Ny "any ho any"
Any izay 'lay tany mamy.

Dia niboredika ianao nahatsiaro
Nifoha 'zay efa nifangaro
Ny fiteny, ny filaza
Fony ianao tanora, fony zaza

Hoy ianao mantsy :
Teny tsara, manjamanja
Mandrehitra ahy toy ny vanja
Teny mamy sady kanto
Sady angola no milanto

Injay ianao nahita azy
Satrinareo hivazivazy
Hanao fitenin'ny avy any
Hiova jery sy volon-tany
Manao varobarotra ... ankandasitra ...
Karajia, sasanangy ... rediredy ... Sesilany
Dia noborahinao ilay fiteny
Tsy mba fampiasanao tety
Saingy fitanisanao ombieny
Nampiadianao ilay firehaka
Nangolainao tsilemilemy
Narindranao hahazo tehaka
Novoizinao hiredareda
Najapijapinao hirefotra
Ny ao am-ponao hirehitra...


Hoy ianao mantsy :
Teny tsara, manjamanja
Mandrehitra ahy toy ny vanja
Teny mamy, sady kanto
Sady angola no milanto
Teny manja, tsaratsara
Vanja handrehitra izay tiana hambara !
Tiako kanto, teny mamy
Mirantoranto volon-tany !
Fa tenin-drazanao izany !

Razafindratsima Ndremahery Sept 2003
--------
Rohy:
865 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : BESORONGOLA
Nampiditra : besorongola
Daty : 17/11/2003 00:21
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0097