You are here: home > Vetso

Izay ho anjarako - bichette (RaLaSa)

IZAY HO ANJARAKO

Eny fa raha mbola misy koa ny atao hoe "maraina"
Tsy ho foana tsy akory ny fanantenako
Toy ny voninkazo kanto ao  an-jaridaina
Hahababo ny fon'ilay tena anjarako

Inoko fa any ho any misy natokanao ho ahy
Ry Ray be fitiavana ary Izaho tsy hiahiahy
Fa tsy misy diso anjara raha mbola eto an-tany
Tafio faharetana aho hatoky Anao hatrany

Aoka Ianao ry Mpahary no ho tompon'ny safidy
Ianao koa no hanendry ilay fotoana sarobidy
Hitsirin'ilay fitiavana mampiray olon-droa
Fitiavana avy aminao izay tsy manam-paharoa

Tsy ho angano na arira na hoe tantara fotsiny ihany
Fa haharitra tokoa mandram-piala eto an-tany
Arovy ilay tanteliko  tsy ho diso voninkazo
Ny lalanay tahio hifanojo soa aman-tsara


Bichette (RaLaSa)

Mombamomba

Mpanoratra : bichette (RaLaSa)

Nampiditra : bichette
Daty : 14/05/2004
Mpamangy : 2012
Mankafy : 0
Ankafizo

Hevitra mandeha

Oully (14/05/2004 11:59:30)

Manaiky ny aty eh.

methode (15/05/2004 21:22:58)

Eny ary de inona fa mirary hahita an'ilay anjara izany ko!!

Hametraka hevitra

Midira aloha