You are here: home > Vetso

Indray andro tao an'ala - Bichette

INDRAY ANDRO TAO AN'ALA


Indray andro …

Voababon’ny hakanto dia nanantona hioty
Ka ninia tsy nandre ireo feom-boronkely
Ao an’ala  manambara fa mbola tsy matotra  tsy fioty
Ilay voninkazo  andraindraina fa mba mahareta kely



Ianao …

Dia nanongotra , tsy tàna, tsy nahandry lohataona
Ilay fitiavako vao nitsiry  mbola tanora tsy ampy taona
Nivoady fa hampakatra rehefa tonga ny fahavaratra
Nisafidy ny hikolo sy hiaro tsy ho simban-oram-baratra


…. Tao an’ala

Nifandimby teny ny andro ary dia tonga ny fararano
Niandry maina  ‘reo biby an’ala  izay niangaviana hitso-drano
Voromailala no nirahana mba hitsidika ny maraina
Ranomaso no nandimby Ilay fifaliana nantenaina



… ilay nolalaina

dia nandrava tsy nisy fiangarana ity fitiavana efa matotra
dia nafoy, tsy tiana intsony nefa ilay oty efa voafatotra
dia nampandre ny tao an’ala nony atomotra ny ririnina
nanambara fa any an-tsaha  efa misy olon-kafa ho fihinina

Bichette (RaLaSa)
1 jolay 2004

Hevitra mandeha

Oully (02/07/2004 09:37:51)

Tandremo ny sioka raha tsy mbola tafavoaka ny ala

Malalason (02/07/2004 13:21:54)

ie sarotra ihany aloha ny miaina @ity fitia ity e, nefa aza afoy @ny tsy antony fa saino tsara alohan'ny hamihinana ilay vao2 sao mantsy ka hitovy daholo ny fisehony, indrindra ho antsika zandry vao miana mitia tandremo sao sodokan'ny mena miraviravy fotsiny ka tsy mahita ny tena fitiavana ankehitriny mantsy lamaodin'ny olona sasany indray ity miovaova sipa ity ka na efa matoy aza ny nomenao azy dia hataony kilalao ihany na izany na tsy izany anefa dia misy fetra ihany ny filalaovana fitia ka izay ratsy fifidy no iangonan'ny rihitra, misy fiteny manao hoe raha olona iray no tsy tia mitoto koba hatavy, nefa izaho @ maha R.JO ahy no miteny hoe alohan'ny iarahana dia tokony ho efa azonao antsaina ny mety ho toetran'ilay hotiavinao "si un jour tu es vraiement intéresser pour une femme lutte pour elle et assures-toi bien qu'elle t'aime" mazava be angamba io teny io, tsy voatery ho ny vehivavy ihany fa ny lehilahy koa(ny lehilahy hono mantsy tsy mba ratsy) izay no izy ry zareo fa mahaiza mitia fotsiny mba tsy handratra ny fonao (f'izaho mantsy efa voaratra tadiavo ao @ tononkalo ity lohatenin'ny tonon-kaloko ity dia ho fantatrareo hoe taiza no dingana efa vitako teo @ fitiavana ADALA VE NY TIA? R.JO na i Malalason aminy okay daholo e!

hery (10/07/2004 17:29:50)

Hmmm,

Jereo hoe fa sao dia azo asetry azy ilay hoe "Sao dia mba..." nosoratako ao?
http://vetso.serasera.org/index.php?rub=vetso&vid=v40effccb57eb3

io :)

nikopol (15/07/2004 12:00:18)

Asa raha misy frezy ao anatin'ny alanao ry Bichette.

nikopol (15/07/2004 12:00:19)

Asa raha misy frezy ao anatin'ny alanao ry Bichette.

bichette (15/07/2004 15:46:09)

nikopol hi hi hi !!!! misy ka ! raha tsy izany ve aho hahalala ny momba ny frezy

bichette (15/07/2004 15:55:30)

nikopol, ataovy hoe 'ala nisy anao" fa tsy hoe "alanao"

jeroma (30/11/2004 13:54:45)

Bichette an , atahorana ihany ange ny ao anaty ala ao , ny tena loza sa dia lanin'ny fanday ao ka , aleo ihnay tsy mankany ka
Njaka

Hametraka hevitra

Midira aloha