You are here: home > Vetso

Izay ho anjarako... - Bichette

IZAY HO ANJARAKO

Eny fa raha mbola misy koa ny "maraina"
Tsy ho foana tsy akory ny fanantenako
Toy ny voninkazo kanto ao  an-jaridaina
Hahababo ny fon'izay tena hi anjarako

Inoko fa any ho any misy natokanao ho ahy
Ry Ray be fitiavana ary Izaho tsy hiahiahy
Fa tsy misy diso anjara raha mbola eto an-tany
Tafio faharetana aho hatoky Anao hatrany

Aoka Ianao ry Mpahary no ho tompon'ny safidy
Ianao koa no hanendry ilay fotoana sarobidy
Hitsirin'ilay fitiavana mampiray olon-droa
Fitiavana avy aminao izay tsy manam-paharoa

Tsy ho angano na arira na hoe tantara fotsiny ihany
Fa haharitra tokoa mandram-piala eto an-tany
Arovy ilay tanteliko  tsy ho diso voninkazo
Ny lalanay tahio hifanojo soa aman-tsara


Bichette

Sokajy : Vavaka

Hevitra mandeha

Malalason (02/07/2004 13:33:58)

mahafinaritra fa toizo ny fanoratana tonon-kalo ary mirary anao ho lasa lavitra kokoa aho
indro misy sombin-tonon-kalo kely avy amiko ho anao ho fampaherezana
ZARA HO ANAO ...
any mbola misy
zara ho anao
tontolo iray vaovao
mety tsy noheverinao
fa hitondra fiadanana
dia iza?
tsy iza fa lay namana
lay tia sy miabndry anao!
R.JO

NyKanto (09/07/2004 16:05:48)

Bichette,
Atolotro ho anao ilay tononkaloko hoe "antema manirery", miandrasa ho avy tsy ho ela!
Ny Kanto

Tenio (21/07/2004 12:24:04)

Mahay ianao kah! Miaiky aho. Mazotoa

bichette (21/07/2004 15:06:18)

miaotra tenio

bichette (21/07/2004 15:06:41)

misaotra, adino ilay s

bichette (24/08/2004 16:30:00)

mmmmmmmm !!!!!!!!

manohisoa (26/11/2004 15:02:01)

Izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo hoy Jehovah dia hevitra fiadanana fa tsy loza. Tao anaty baiboly io fa tsy taididiko nytoko sy andininy. Mirary soa e! Manohisoa

Hametraka hevitra

Midira aloha