You are here: home > Vetso

Vavaka ho azy - Bichette


VAVAKA HO AZY

Tsy takatry ny saina ny fankahalana
Nitsiry tao am-pony, namoa hadalàna
Ilay namana taloha toa lasa fahavalo
Mamafy lainga an-tsofin’ireo mpandalo

Tsy takatry ny saina satria tafahoatra
Ny ngidy ao am-pony miboiboika mandroatra
ozona sy latsa no miraraka am-bava
Avona sy siaka no mandravaka tava

Tsy takatry ny saina ny fidonaky ny afo
Miredareda ao am-pony mandripaka ny hafa
Satria ve nandà tsy hiray tsikomba aminy ?
Hanitsaka ireo lavo, mifanohitra hevitra aminy ?

Sanatria valifaty no ho atao vono-afo
Hampitony ity fony fa fitia mitafotafo
No angatahina hirotsaka avy any an-danitra
Vavaka asandratra ho ditin-kazo manitra

Sanatria tsora-kazo no  hananaranao azy
Ampiova ity fony, avalony ny sazy
Fitahiana, fifaliana no tononiko ho azy
Izany Ray Tsitoha ny vavako ho azy

Amena !

Bichette (ralasa)
19/20 oktobra 2004

Hevitra mandeha

hery (24/10/2004 10:55:31)

Ary raha toa ianao no anankinako azy?
Jereo ilay "Ho azy" nosoratako androany...

fitiavana (05/03/2006 00:49:39)

tena tsara be , sady zava-misy eo @ fiainana mihitsy

Hametraka hevitra

Midira aloha