EKEKO.... (Bien aime)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha mbola ra velona koa no fikoriana
Ny havandran-danitra ankandry no mpisompa-pifaliana !
Dia manaiky ah,ekeko hoe babo ry tiana
Feno anao ny any anatiko any ,fanahy fitiavana,tsiarom-pofitokiana

Ekeko fa anjelin'ny habaky ny tazako mahalasa adala
Ekeko hoe,tsy karazam-borona mpilalao ankaizina ny voromailala
Fa raha teny ampototry ny alina ah,no nahatazana fa hafa ianao malala
Vatofantsika ato an-tsaiko,eto imasoko,ato aneritro,ilay miafinao tantarako mazava

Koa raha mbola azoko atao ,na hiaka-belona any an-danitra
Raha mbola fiezaka koa fanao,hitono tena ah hiaritra
Hitsangan-tsy hierika,hanatantera-paniriana
Tsy hilofika ah ,fa hikiry hoe hanasambatra anao ry tiana

Ekeko hoe ,tsara ny tinazana rehetra
Eny ....tokoa lafatra e; va ambony rano aho mangetaheta ?
Tsia re izany e!tsia fa amiko ianao,mahafaka retraretra
Tsy andava-maso misy anao,fa mpitily tsara koa mahefa.
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
957 1
Mpakafy: Doverabiclo
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Bien aime
Nampiditra : Doverabiclo
Daty : 26/02/2019 12:39
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1598