FODY VERY AN'ALA (Bien aime)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Vodilanitra mangirana
Masoandro an-dranomasina toa zavona miserana,mijotso mirefarefa
Rafilahim-posa ny vatan-kazo hianihana,ka hamaha fifkirana
Fa Railovy lafatra,tsy lanaka maningotra ;volo an-tampon-doha no hela-belo-miantefa

Vintsy tsara sanga,lava molotra miantso amin'ny feo mankafy,hampisy resaka irony akany
Hanambatra ny vazo,handravaka tontolo ,hampiodina indray ny tany
Dia volo vaky sisa notendreny,hampidinana ny lanitra,hampandry ilay malalany

Nefa moa mba fantatrao fa anivoko fiainana......?
Anivon'ny tontolo.....
Oh....vevy loha manirery,tsy tazaninao mpandalo itony fody very an'ala
Tsy notopazanao maso kely,na dia iray segondra monja aza;ka tsy misy hitarainana
Anaty fo sentosento,ambany ravin-kazo ,foretin'ny hatsiaka,fofofofo mamanala
Maso baribary ,masoandro mainty sary ,tsy mahita hazavana
Maty tsangam-belona re,helatra tsy afa-manidina,rantsam-poriforitra
Fo voasarona fitia,nefa tsorebika milofika
Fisento misafoaka,ny saina adaladala
Fa maniry ny hiantso anao mpanjaka hoe:"ahy ianao malala"

Orambatravatra nampirona ravin-kazo
Nanondraka farihy ,nampiakatra ny tazo
Fa andamosina fitadidiana,very havana....eny resy re;ka tsy misy akany hatoriana
Eto aho mangatsiaka,rehefa tsy ho salobonanao ry tiana

Ladiladim-pangataha,fa tiany hanaiky ianao Railovy iray mpanjaka
Handray azy ho mpanompo,ho mpandravaka ny lapa
Hampidoroboka ny foto
Izay ketraky ny tavy
Dia hampisioka ny ao ampoko
Ilay tsy resy fa :"Tia" dia mitady....Tia aho ka miady
Hamboly vonin=kazo hakana fela-mamy(...) ho tsentsefina
Hialam-boly antoandro ,ho fanafodin'ny aretina
Eto ambany ravinala......
Ka tsy izaho intsony ilay fody very an'ala.....fa
Ilay mpitsiky anaty lalina,velon-kira(....) voasoratra tantara
Raha tonga eto amiko ianao ka manaiky hantsoiko hoe :malala.....

Bien aime 05/03/19
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
823 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Bien aime
Nampiditra : Doverabiclo
Daty : 08/03/2019 11:22
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143