FOKO MAHANTRA (Bien aime)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fa maninona ianao r'izato foko
no malahelo lava toy izao ?
Tsy mba misy tsara loko
izao voaary rehetra izao
Fa toa maizina aminy avokoa
na ny tara-masoandro mibaliaka
Raha oviana re no hifoha
itony sambo tsy tafita ?
Asa....izao angamba no anjara
sa mbola hisy ny anao tokoa ve ny any any afara ?
E (...) tsy mino ah raha izany
fa ny anao dia ny fahoriana sesilany

Malahelo anao aho ry foko
fa toa lalandava fokofoko
Izany fitemponao any anatiko any
manko hitsahatra hikoriana koa ny rany
Asa raha mba oviana indray
no hitsiry ka hamony ilay voninkazo nalazo fahizay ?
Asa raha mba oviana foana
no hitsahatra himoana
Ilay voafatotra ao ambala
mba hahazo reno mamanala ?
....
Handraozy ity fo.....


Bien aime 05/06/18
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo - Fitiavana
871 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Bien aime
Nampiditra : Doverabiclo
Daty : 12/03/2019 05:19
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0105