You are here: home > Vetso

hafatra/FA HO TIA ANAO MANDRAKIZAY - bobone

Raha sendra ka mandalo iny vohitr'iny ianao
dia mba ento kely ange izao hafatro izao
misy olona iray izay miandry fatratra any
mitoloko samy irery ,kotsakotsan'ny Tomany

Tsy fidiny ho azy mantsy no nandao anareo
fa noho ny toeran-tsy zaka izay matetika  niseho
Dia ny tondro molotra  sy ny  karazana   eso-teny
Mila tsy ho tanty izay nataon'ireo Ray Amandreny

Mahatra mantsy aho tsy mba mpanefoefo
Tsy dia nahita fianarana ,fivelomana marefo
ilay fitia miboiboika ao an-tratrako ao
Vao maika manesika ahy ny ho Tia anao

fantatro Ianao fa mbola mankamamy ahy
saingy indrisy fa matahotra sady  be miahiahy
sao hariana tsy ho zanaka an-trano  intsony
Ka vao maika ihitatra ny ady sy lonilony

Koa naleonao nanaraka ny tenin-Ray sy Reny
ilay nitaiza sy nikolo , nampianatra niteny
Naleonao nijanona ka nandao ny amiko tanteraka
Ny FItiavako indrisy !!!! eee ireo  zanako nanteraka ???

Mampamangy hono hoe hoy i Dada mbola tia
izay mipetraka amin'iry tanana iry
tsy manadino amin'izao fety izao
fa tena voatsiahy ao anaty fony ao

Ilay Ray ao ambony ,Tena  tia tsy manavaka
No handratako ambony izato tonom-bavaka
Fa mbola hisy ny fotoana hiova fo Izy ireo
ka ho foana ny toloko, ranomaso sy toreo

izany re no hafatro ataovy tonga soamantsara
Fa i Dada mbola miandry vonona ikarakara
Tsy ny vola aman-karena izay mora lany sy mora lo
Fa ilay fanekena  teo imason'ny Tsitoha
FA HO TIA ANAO MANDRAKIZAY


Bobone      /Antra










Mombamomba

Mpanoratra : bobone

Nampiditra : bobone
Daty : 27/12/2016
Mpamangy : 523
Mankafy : 2
Ankafizo

Tononkalo hafa

Mizarà
ILAY DIA-PENIN'OLON-DROA
TIako ianao

Hametraka hevitra

Midira aloha