Ondry nania (boubounezy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ray ô! Tonga aho
Hifona Aminao, fa nandao Anao
Fanratro, fa tsy mendrika aho, na dé hoe: ho zanakao
Olombelona iany ka solafaka, nanda ny Anatrao
Ka miangavy aho, antandro, fa nanohatoa

Tompo ô! Mangataka Aminao,
Fa tsy nety ny natao, k'ankehitriny aho,
Mahatsampa fa tsy tsara izao tontolo izao,
Fa fiainana tsy natao ho any olonao.
Ka maméla ré! Fa very fanahy aho ra tsy misy Anao,
Ka maméla ré! Fa ho endry aho hatramin'izao.

Mmh!Mmh! Ra manaiky Ianao
Mmh!Mmh! Mamela anao Izaho Rainao
Mmh!Mmh! Tena diso tokoa aho
Mmh!Mmh! Avia fafaiko ny masonao

Anak'ô! Mamela anao Aho
Izaho Rainao, dia nitady anao
Mitaintaina, miferinaina,
Fa nakaiz'ilay sombiniaina
Efa very ve? sa mbola antenaina tsy mbola very ny ainy
Mba hifaliko refa tonga tsy niaharan-doza.

nosoratan'i licat, tsy azo angalarina
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka
1827 2
Mpakafy: vale - boubounezy
Hevitra mandeha
vale ( 04/12/2005 22:01)
Marina ny ataonjy! izy ray be fitia, mamela ny helontsika ety!!!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : boubounezy
Nampiditra : boubounezy
Daty : 03/12/2005 14:17
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0134