indray nisasakalina (cedarf)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Indray nisasakalina, aizina nangina,
Tsy aizina ampitahotra amin’ny feony toloko,
Fa alin-drotsirotsy nanembonako ny tiana,
Niventesako ilay hira mbola mamin’ito foko.

Indray nisasakalina aho, nahatsiaro ny efa vita,
Nitamberina daholo ny lasana kanefa,
Indray nisasakalina iny indrindra aho no nikiaka,
Nitady anao, hamerina ny ambiny tsy efa.

Indray nisasakalina aho dia nitomany irery;
Toa rivo-namanala no nitsoka nampangina,
Dia nitomany manko fa nanjombona sy very,
Very tamin’ny aizina, nilaozan’olotiana.

Indray nisasakalina aho no nahatsiaro anao,
Indray nisasakalina nadiva sady tony,
Nahatsiaro ny ora mbola teo antratranao,
Dia nisento lalina ka tsy nangina intsony.

Indray nisasakalina iny no ora nanembonako,
Ny safosafonao nanafosafo ahy taloha,
Mba satriko hiverenana ny molotrao noroako,
Satriko hitodiana indray ny antsika roa.

Indray nisasakalina izay no nangalako,
Ny sarintsika ireny dia natao sary antsaina,
Ny angolangolanao izay mamiko malalako,
Izany indrindra no mahatonga ny tenako hitaraina.
--------
Rohy:
Sokajy : embona
1097 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : cedarf
Nampiditra : cedarf
Daty : 24/04/2014 20:00
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0105