iny lanitra iny (cedarf)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Iny lanitra iny! henoy ny fitarainako,
Fa mampaory ahy loatra ny sento ka tsy tantiko,
Ny embona azy foana no mameno ny fisainako,
Ny tsikitsikiny iny, mbola raikitra ato anatiko.

Iny lanitra iny! raha azonao atao,
Ny rivotrao mitsoko lazao hitondra teny,
Lazao ho tongany any fa izy anatiko ao,
Manina aho ka mitomany toy ireny zaza ireny.

Iny lanitra iny! ny kianjanao malalaka,
Dia ny abakabakao,
Ataovy hitondra teny mba ho an’ilay malalako,
Mbola tia hono izy; mbola mankafy ny miara-dalana aminao.

Iny lanitra iny! ny kintanao mamiratra,
Raha tazaniko hatr’ety,
Dia toa mangasiasy ny masoko mihiratra,
Ka nanjary dobo kely izay maganoano ery.

Indrisy re ry lanitra, fa singa aho no mijoro,
Dia lasa mitomany fa alavitra olotiana,
Irery mba mitazana ny alina tontolo,
Dia misento lalina anatin’ny aizina mangina.
--------
Rohy:
Sokajy : embona
1140 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : cedarf
Nampiditra : cedarf
Daty : 12/04/2014 19:12
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143