You are here: home > Vetso

latsaka, anatin'ny sentok - cedarf

latsaka, anatin'ny sentoko lalina,
ty foko marefo izay mora tomany;
te hilomano fa tsy mba tafarina,
handresy ny hamafin'ny onjan'ny tany.

roboka anatin'ny ala kiriana,
ty foko izay reraka loatra amin-tsento,
ny kintana ambony izay fatratra iriana,
no mba vetsovetso.

lalina loatra amin'ny embona izany,
toa tsy mba mahita izay tsiky mandalo,
sa rendrika indrindra ao anaty vinany;
ka be sentosento amin'ny vetso sy kalo?

masika fiteny sy be bedibedy,
mitraotra ny atin'ny fo kely adalako;
mamboly hafaliana sy be rediredy
fa manina anao aho akia ry malalako.

lalina akia zany tolona atreako!
ny hiran'ny fanantenana no sisa
iandrasako andriko sy mba reharehako;
anaty fitiavana izay tsy hita isa.

donan-kafon'ampombo izay tsy mety maty,
miotrika foana ao anatin'ny foko;
afom-pitiavana efa lalim-paka
mandoro tsy mihato, vao maika misoko.

mahabe vetsovetso sy hevitra foana,
mamboly adin-tsaina tsy tiako hitambolona;
ny fanantenako no miraondraona
maniry ho eny an-tsandrinao efa an-tsandrinolona.

mandefa vinany anaty aizim-pito,
ty saiko adala tsy mety mangina
mihevitra foana anao any ry tiako
mitakosim-pitiavana an-tsandrin'olon'iny.

ny masoko manko no manganoano,
tsy afa-manoatra fa be faniriana;
mandefa saina izay ataonao an-trano
anilan'iny olon-tianao iny ry tiana.

izany no sento ato anatiko ry aiko,
ambarako anao fa tsy tantiko intsony;
tiako! eny tiako!tena tiako, lalaiko
fitia mandramaty ka tsy mba hitony.

senton'ny foko ka mba tantaraiko,
fa ny tena tsy tantin'ny foko ry tiana:
ny fitiavako anao mila haningotry ny aiko;
maniry fatratra ho an-tsandrinao iny.

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha