matokia (cedarf)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MATOKIA
rehefa sendra ianao tomany,
ka ao anatinao ny sento;
aza kamo manontany
fa tsy lavitra aho fa eto.

raha fitia no mampifoko,
no tsy hitanao akaiky,
dia ny saiko sy ny foko;
efa ela no nanaiky.

aza kivy ry malala,
izaho aty dia tena tia;
ka lazaiko tsy ankisala
ny teny hoe matokia.

ka na kotroka mipaoka,
na rivotra mifofo;
ireo tsy tia na misafaoka,
ny ato am-poko tsy mba miofo.

fitia voatokana tsy hiova,
fa ianao no topondakany,
ny ao anatiko no rova,
ka ianao ilay mpanjakany.

tsy mba teny sendra nielina,
fa nalaiko avy ao am-po,
ka na be mpanelingelina;
ianao tsy ananam-paharoa.

ny fitiavako rehetra,
omeko anao tsy asiako ambiny;
fa fitiavan-tsisy fetra
no safidy tsisy tambiny.

ka ianao na lavitra aza,
ny ato anatiko ato tia;
ka averiko mazava
ilay teny matokia.
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1662 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : cedarf
Nampiditra : cedarf
Daty : 27/06/2018 20:33
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0096