nahita anao aho saingy... (cedarf)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
nahita anao aho saingy nilaozanao, kanefa
mbola tiako averina ny lasana rehetra;
izany teo anilanao, toa tsy tsapako akory
ny areti-tsaiko lalina sy ny ady nampaory.

ny teo anilanao na dia iray minitra monja,
ampy nanalako ny adi-tsaiko izay nanonja,
kanefa ankehitriny moa satrinao ry tiako
ny ilazako marina f'ianao no faniriako ?

ka rahoviana re no ho tonga ilay andro tena mamy?
hiarahantsika hisedra ny ngidin'ito tany;
tsy ahoako ny mangidy fa ho ahy ireny mamy
rehefa ny fitiavako no anatinao hatrany.
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1204 0
Hevitra mandeha
isera ( 02/09/2014 16:58)
mianara teny gasy tsara
andry 1000 ( 21/04/2015 06:22)
tena ilaina mintsy ny tsikera e!! assurance qualité zay..fa refa tafampita ny hevitra de zava-dehibe izay, mazotoa ry cedarf a!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : cedarf
Nampiditra : cedarf
Daty : 23/08/2014 19:24
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0108