noho ny fahantrako (cedarf)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
maningatsingam-poana ny tenako indrisy!
mitazana aho ka indro anjely analinkisa
no hitako miserana any rehetra any,
'ty tenako mahantra!misento fotsiny ihany.

toa faly izany izaho, fa tokana amantany;
indrisy anefa, tokana hisedra ny tomany;
ry Tompo ô velaro hanarona ny tavako
ny elatrao mamiratra ho hany mba firavako.

Tompo ô ampianaro ny sasany hahay iantsena,
akanjo tsy ampy metatra, lafo raha jerena;
dia izay no faniriany?

kasio ny fony Tompo ô mba hanomezany ahy
ireo lamba lava maro nananany hatrizay;
raha sendra ka tsy tiany.
--------
Rohy:
Sokajy : Fahantrana
1232 1
Mpakafy: andry 1000
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : cedarf
Nampiditra : cedarf
Daty : 25/08/2014 18:11
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143