You are here: home > Vetso

ny alina sisa - cedarf

Ny hiran’ny alina mamelovelo, toa mila hampisento,
Ka reko mavesatra mila ho vaky ny foko mitempo;
Fa lavitra  tiana; taman-tsafosafo kanefa indrisy
Fa ny alina irery no vato hanamafy ny tsiky manify.

Toa lakana kely misedra onja mafy miantso any ho any,
Fa tratr’oram-baratra anivon’ny rano ka mila hitomany,
Ny foko misento mahatsiaro ny tiako,
Ka ny alina indrisy, no mba manamaivana izay faoriako.

Ny angolan’ny tiana, ny oroka mamy, tsy eto hanafana,
Ny volana tsinana fandrian’ny kintana manganoano
No namana sisa mba azo hitafana

Ny alina manko mitondra fisainana
Ny saiko toa lasa ka lasa nanembona,
Ny tsiaro naterany, tsy mety levona.
17/03/15

Sokajy : embona

Hevitra mandeha

andry 1000 (21/04/2015 07:47:07)

tena tsara sy kanto, mahay enao

Traniha (09/02/2018 13:04:01)

Tsara ô

Hametraka hevitra

Midira aloha