ny antony hanoratako (cedarf)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsaroako fa toa vorona rava ankany aho,
Ravin-kazo niala, tafasaraka amin’ny tao,
Ka nihintsana amin’ny tany.

Dia ny androko tomany
Fa saraka ela tamiko izany tiako izany,
Ka tsy mba ananako eto
Ny tsiky fa ny foko no andolan-tsenseto.

Dia miverina ato anatiko,
Ny teny mafinao izay nandratra ahy ka tsy tantiko,
Ny dongidonginao sy ny avonavonao hatrany,
Mahamanina ahy fa mbola mamiko ihany.

Dia mihitatra ny saiko,
Mitady izay mba fomba hilazako hoe sombin’aiko,
Ka mandrafitra fotoana, dia mamantsika andro foana,
Tsy mahalala kibo noana.

Ny antony hilazako
Mba hisy olon-tokana ho tanjona hiantefako,
Ka izany teny izany izay ambarako aminao,
Dia hoentiko hilazana fa tiako loatra ianao.
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1252 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : cedarf
Nampiditra : cedarf
Daty : 20/01/2015 19:12
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0108