satriko ny ho any (cedarf)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
mba satriko e ny ho any, hahita anao, kanefa
moa mba maminao ny hihaonantsika roa?
mba hiaraka hikorana, hamono izay rehetra
sakana tsy hahatonga ny tanjona ho to.

mba mamiko ny ho any hiangavy anao ho tia
manko faniriana izay lalina ato anatiko
mitraotra toa tsy tantiko, ny ho anao ho doria
dia hiaraka eny isika f'izany no mba mamiko.

tiako anie ka tiako izany tiavinao ry tiako
fatratra trandrahako ny ho eo ankaikinao
izay no italaoko fa hany faniriako
izay mandoro indrindra ny fanahy anatiko ao.
--------
Rohy:
1096 0
Hevitra mandeha
Soarilala ( 18/09/2014 13:25)
tena satriko ny ho any, ary mbola ho avy izany!!!!!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : cedarf
Nampiditra : cedarf
Daty : 17/09/2014 13:48
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.033