tsiahy (cedarf)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Midoboka mora mamaky fanahy,
Ny hiran’ny sentoko mamelovelo;
Mitraotra ny lasa, miverina indray,
Miverina an-tsaina toa sarin’avelo.

Mamakivaky ny masom-panahy
Ireo sary efa raiki-tapisaka an-tsaiko,
Lasa mivonto ao anaty toa vay,
Ka mila haningotra hatramin’ny aiko.

Sary ihany anefa, ary sary efa lasa,
Sary ihany saingy tsy mety ho voafafa,
Sary miventso hira efa nahazatra,
Indrisy fa enon’ny foko maratra.

mpanoratra:cedarf sy tolotra
--------
Rohy:
1206 0
Hevitra mandeha
andry 1000 ( 21/04/2015 05:52)
resy lahatra aminy fahaizanao manoratra e!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : cedarf
Nampiditra : cedarf
Daty : 27/02/2015 04:07
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0103