tsiaro (cedarf)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Injany fa mirehitra mandoro mahamay ny hiran’ny fitia,
Manosika ny foko hitady anao hatrany;
Te hiantso mafy ny anaranao akia,
Eritreritra mandalo? midify fotsiny ihany.

Injany fa tsaroako ny lasantsika mamy:
ny lakilasin-tsika, ny làlana niarahana;
Injany koa miverina, tsaroako hatrany hatrany,
Nangidy indrindra tamiko: ny ora nisarahana.

Tsiaro sy tadidy, miraikitra ao anaty,
Tsy very fa mangina, misoko miadana ao,
Tsy maty na matory fa mikiky toa tsy tanty;
Izany fahatsiarovako ny teo anilanao.

E! mahatsiaro anao izany foko nefa indrisy!
Moa ny làlana nodiavina no tsy efa voazahako?
Naniry hahita anao, dia nitady saingy tsisy
Na làla-tokana aza mba nisy anao hiarahako.
17/10/14
--------
Rohy:
1212 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : cedarf
Nampiditra : cedarf
Daty : 31/10/2014 08:26
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0105