You are here: home > Vetso

fiainana - cedric tolojanahary

Fiainana

-vao maraina vao mifoha
-dia misaina avy hatrany
-fa hitady no ao andoha
-'zay ilay fiainana eto an-tany

-isan'andro mamisavisa
-hoe aiza indray no hahita vola
-ny asa an-tselika sy ny sisa
-ny fitadiavana tsy mora

-indraindray ianao toa kivy
-mitanondrika foana foana
-tsy te hisaina ireo adidy
-sy ireo ady manoloana

-'zao no hafatro aminao
-fandalovana ny tany
-aza kivy fa ezaho
-mbola hiova io 'ndray andro any

Cedric tolojanahary
            Na
Alahelon'ny fanahy

16/04/19

Sokajy : fiainana

Hametraka hevitra

Midira aloha