You are here: home > Vetso

hafatro farany - cedric tolojanahary

Hafatro farany...

-hafatro farany
-ho anao ry malalako
-nahilikao ny anjaran'ity
-fo adaladalako

-nomenao olon-kafa
-ny anjara tandrify ahy
-toa sary tsy ho voafafa
-tandindin'ireo tsiahy

-manembona ny vita
-sy ireo nataon-tsika hatr'izay
-anatrin'ny sisa
-f'izaho efa fay

-ka ho kosehako avy hatrany
-anaty diary ireny
-mba ho tony ireo tomany
-hilamin-tsaina omboeny omboeny

Cedric tolojanahary
           Na
Alahelon'ny fanahy

Sokajy : hafatra

Hametraka hevitra

Midira aloha