You are here: home > Vetso

onjam-piainana - cedric tolojanahary


ekena na dia mafy aza
'zany onjam-piainana.
hihafiana na dia marary aza
fa tsy nataoko hitarainana
satria anjara efa voalahatra
ho diaviko eto an-tany
ireo fahoriana, fijaliana
fisedrana sesilany

indraindray aho mitanondrika,
sy mila hamoy fo
mieritreritra ny lasako
sy ireo vita teo aloha
Saingy manantena aho,
fa 'ndray andro any mbola hisava
ireo haizim-pito mitandavana,
ka ny hakiviako dia ho rava

hisolo hafaliana
ka ho heni-kasambarana
rahoviana anefa izany e ?
Dia mbola hisy ve fiadanana
mino anefa aho
fa raha mbola ao koa ilay Tsitoha
dia tsy hamela ahy ho irery
amin'ny ady izay manjo.



Cedric tolojanahary
        Na
Alahelon'ny fanahy

Mombamomba

Mpanoratra : cedric tolojanahary


Nampiditra : cedrictolojanahary04
Daty : 04/06/2019
Mpamangy : 183
Mankafy : 1
Ankafizo

Tononkalo hafa

tiako raha ianao
hafatro farany
tsiky
fiainana
hanoratra aho ho anao
indrisy mantsy

Hametraka hevitra

Midira aloha