You are here: home > Vetso

tiako raha ianao - cedric tolojanahary

Tiako raha ianao...

-tiako raha ianao
No ho ravaky ny lalako.
-ho raoziko maraina
-tiako raha ianao
No hiara-dalana amiko
-n'aiza n'aiza haleha
Na mitoetra na mandeha
-tiako raha ianao
No ho andry sy antenaiko
-na inona na inona manjo
-hizarako ny hafaliako
Hilazako ny ato ampo
-rehefa takariva
Miaraka mibanjina
-eny am-paratazana eny
-ny hakanton-java-boahary
-noharian'ilay nahary.

Cedric tolojanahary
           Na
Alahelon'ny fanahy

Hametraka hevitra

Midira aloha