hanoratra (H.J Myrai)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
hanoratra aho anio
Hanoratra hitantara
Ny kiaka sy alahelon’
Ny lasa tsy voafafa

Hanoratra aho androany
Hanoratra eto foana
Ho fenoiko ny diary
Izay mbola babangoana

Hanoratra aho ankehitriny
Hanoratra ireo ratra
Nilomanosako fahiny
Tao anatin’ny herisetra

Eny, hanoratra aho ho anao
Ho anao ilay nampijaly
Sy nampitomany lava izao
Ny foko efa nanary

Hanoratra aho hanoratra
Na aza tsy fantatro
Ny zavatra ho hamboraka
Handrafetako ito soratro

Fa hatrany aho hanoratra
Analako ny halaheloko
Toa misamboaravoara
Ao anatiko tsy fantatro
Myrai
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
968 1
Mpakafy: JAOANJARA
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : H.J Myrai
Nampiditra : celestinmyrai
Daty : 26/05/2015 19:04
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0136