hivavaka aho kanefa (H.J Myrai)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha hivavaka aho kanefa
Tsy mbola haiko ny mametra
Sy mifehy ny vatako maditra
Dia aleoko ihany aloha tsy hita

Raha hivavaka aho kanefa
Tsy hatanteraka fepetra
Takin’ilay finoana
Dia aleoko ihany aloha midola

Fa raha hivavaka aho kanefa
Tsy havita hiaritra ny sedra
Sy hilanja ny hazo fijaliana
Dia aleoko ihany aloha tsy liana

Eny !Raha hivavaka aho kanefa
Tsy haiko ny manadino ny rehetra
Sy ny fahazaran-dratsy
Dia aleoko miandry atsy ho atsy

Fa ianao? Mivavaka kanefa
Atao fanafenan- toetra
Sy ny fomba ratsy efa fanao
Ny antony ivavahanao

Misy mihitsy aza moa
Mpitondra fivavahana tokoa
No sahy migoga ny amamin’ny tany
Moa tsy mpiahatsaravelatsihy raha izany?

Ka aleoko ihany ho aho
Aleoko mihitsy aloha mandà
Aleoko vonona sy matotra
Vao hanaiky an’andriamanitra
Myrai
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka
1006 0
Hevitra mandeha
katrynah ( 20/02/2020 18:27)
Mivavaka enao de mangata piovana. Fa marna lay voalaza ao amnio tononkalo io satria ny "fahasoavan Andriamanitra tsy azo ialokalofana "
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : H.J Myrai
Nampiditra : celestinmyrai
Daty : 26/05/2015 19:05
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143