na aza (H.J Myrai)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tiako ho aho ianao
Ary efa ela no tao
Anaty nofiko mazàna
Saingy anio dia tsy tàna
Efa ela no niriako
Saingy tsy haiko
Fa reko toa manakoako
Midoboka tsy miato
Ny any anatiko any
Rehefa iny ianao fa tamy
Efa ela ianao
No nitsiry tao am-poko tao e
Saingy tsy sahiko navoaka
Na aza efa nadraotra
Efa ela izato tanako
No nangidihidy, manko
Tsy sahiko nakasoka
Na dia indray mipasoka
Ny vatanao akory
Sao ianao ho sosotra…Tsy ho tony
Tena efa ela ho aho
No velona tsy nahy
Tsy nahatohitra ny vala
Ny omby tao am-bala e
Tena ela ho aho ry tiako
No efa mba niriako
Ho sakambininao
Sy hiaraka hanao
Tsikonina mangina
Eo anilanao ry tiana
Ka akehitriny ‘zao dieny zao
Raha mba azonao atao
Dia ekeo aloha ny ireo
Tsy manina, ekeo
Na anio fotsiny aza,ihany
No ahafahako mankany
myrai
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
826 1
Mpakafy: AnBin69
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : H.J Myrai
Nampiditra : celestinmyrai
Daty : 26/05/2015 19:06
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138