ny omaly sy ny anio (H.J Myrai)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny omaly sy ny anio
Ny ranomasonao androany
Ny raho-maintinao omaly
Dia tadidio fa mbola hisava
Sy hamiratra hazava
Ny tarainanao androany
Ireo kiakanao omaly
Dia tsarovy lalan-dava
Fa tsy maintsy mbola ho rava
Ny faharesenao androany
Ny hakivianao omaly
Tsy mitoetra akory ireny
Fa…miserana eny ihany
Ny fametana anao androany
Ny fanendrehana anao omaly
Dia tsy midika velively
Ho fiainanao irery
Ny tadidio nifofofo
Nanditsoka ny maso
Dia aza heverinao ho ankaso
Na nandatsa-dranomaso
Fa ny fandaharan’ny omaly
No nosedrainao androany
Fa …tadidio ataovy an-tsaina
Fa rahapitso ny maraina
Natokana ho anao
Hiovanao vaovao
Androany ianao tomany
Omaly ianao nijaly
Nefa hoy aho aminao
Hoe;tsy resy akory ianao
Fa Semban-drahona ihany
Ilay omaly sy androany
Myrai
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
1230 0
Hevitra mandeha
zoana15 ( 26/05/2015 09:25)
Salama e! tsara ilay tononkalonao, misy diso tsipelina vitsivitsy, tsaratsara raha ahitsy kely!
celestinmyrai ( 28/05/2015 17:39)
ok
celestinmyrai ( 28/05/2015 17:40)
ok misaotra e
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : H.J Myrai
Nampiditra : celestinmyrai
Daty : 22/05/2015 18:21
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137